Mafy tokoa ny te ho tafita ka mitady ny fomba rehetra hahatanteraka izany. Tovovavy mipetraka irery i N.R, ary taona fahefatra amin’ny lalam-piofanana teny vahiny amin’ny sekoly ambony iray eto Antananarivo
Efa kamboty ray moa ny tenany fa ny reniny sisa no mbola velona. Avy any amin’ny faritra atsimon’ny nosy iny no fiavian’izy ireo, ary mbola manana zandry roa ny tenany. Raha ny nambarany dia tsy araky ny reniny intsony ny miantoka ny fianarany taorian’ny nahafatesan’ny rainy. Fony mbola velona manko ity farany dia nandeha ara-dalàna ihany ny fiainany teto an-drenivohitra, misy hatrany ny vola alefa ho azy isam-bolana. Taty aoriana nony maty io rainy io dia tsy araky ny reniny intsony ny mandefa vatsy ho azy, satria ireo zandriny ihany koa mbola eo anivon’ny reniny. Manoloana izany dia voatery izy nitady ny hevitra rehetra hivelomany sy hampandeha ny fianarany izay efa ho vita rahateo. Ny tenany moa, araka ny voalazany dia efa mpandeha amin’ireny trano fandihizana ireny miaraka amin’ny namany rehefa faran’ny herinandro, ka teo no nitsirian’ny hevitra tao aminy. Any amina trano fandihizana lehibe iray sady malaza eto an-drenivohitra izy no mandeha amin’izao fotoana ary ireo vahiny sy lehilahy efa nahazoazo taona no tena hiarahany. Nambarany fa menatra ny tenany izy amin’izao ataony izao saingy ny fahoriana mahazaka maniraka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.