Actualités

Tranga tsy dia fahita firy Omby saika hovonoina nirifatra namonjy faty iray


  • Alakamisy 26 Janoary 2023

Niely omaly ny fisiana tranga tsy dia fahita tany Tafiankasika Ambilobe iny. Nisy mpivaro-kena iray nandeha nividy omby, nentiny tany amin'ny “abbatoire”

na toeram-pamonoana omby, ary nofatorana ilay omby fa hovonoina ny ampitso. Teny an-dalana dia efa hafahafa ny fandeha sy fihetsik'ilay omby raha ny tsikaritry ny olona, hoy ny fanamarihana. Akory ny hagagàna fa tapaka ny fatoran'ilay omby ny maraina tamin'ny 3 ora, ary nirifatra namonjy tokantrano iray nisy fahoriana tao Tafiankasika. Tora-kovitra ireo olona niandry ny razana fa nisisika hiditra ity omby na dia tery aza ny varavarana kanefa tsy nisy varavarakely azo nitsoahana. Ny tena nahavariana dia nanao fandry mitovy ilay razana ilay omby rehefa tafiditra tao an-trano, hoy hatrany ny fitantarana. Nantsoina ny sefom-pokontany sy olobe teo an-tanàna hanao fombafomba namoahana moramora ilay omby, raha ny fitantarana. Atoa Be Victorien Christiano moa no nanaparitaka ny fisian’ity tranga ity, izay nampametra-panontaniana ny maro no mety ho antony, ary samy naminavina teo ny mpaneho hevitra rehefa niparitaka be ity resaka ity. Tsara ihany koa ny manamarika sy mampahatsiahy fa mifamatotra amin’ny kolontsaina sy ny fomba Malagasy ny omby amin’ny ankampobeny, na an-karatsiana na an-kafaliana.
Nangonin’I Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT