TRANGA TETSY MANJAKARAY

Nihotsaka tampoka ny rihina nisy razana


  • Alarobia 29 Aprily 2026

Nisehoana tram-piarahamonina tsy

dia fahita tetsy Manjakaray omaly atoandro. Nihotsaka tampoka ny valin-drihana ny trano nisy fahoriana, raha teo am-piomankomanana hitondra ny razana any an-tanindrazana ny fianankaviana. "Misy fahoriana ato amin'ny trano misy ahy dia mba hamoaka faty niaraka ny mpiara-monina ny tena, niomakomana nikarakara ny hitondrana ny vatana mangatsiaka ny maty any Atsimo atsinanana any Vohipeno ny fianakaviana ny tompo manjo no nihotsaka ny valin-drihana nirodana tao ambany ireo olona sy ny maty, nisy naratra ireo fianakaviana.", hoy ny fitantaran'i Jean Anicet Andrianarivo. Misy ny mandika ity tranga ity ho mety misy antony sy fifandraisany amin'ilay maty fa ao ihany koa mandika izany amin'ny fomba tsotra hoe: mety efa boboka ny gorodona kanefa betsaka loatra ny vesatra teo amboniny ka niteraka ny loza.
Nangonin'i Toky
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT