Tranga

mampalahelo teny Akadindratombo


  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Namonjy ny volany 100 000Ar, kinanjo natelin’ny rano i Dety

Renim-pianakaviana antsoina hoe Ravonjiniaina Bernadette na Dety 49 taona no maty tao amin'ny tranon'olon'Ikopa, teo amin'ny tetezan'i Mandroseza-Akadindratombo omaly alarobia 02 septambra 2026 tolakandro. Nirotsaka tao anaty rano izy io omaly io tokony ho tamin'ny 3ora sasany. Voalaza fa lasa tany anaty rano ny volany, ka namonjy an'iny izy, kinanjo dobo tao. 100 000 Ariary (iray hetsy Ariary) no voalaza fa latsaka tao anaty rano ka niezaka naka izany izy, saingy indrisy fa ny ainy no nanefa. "Nangata-dalana teto izy fa hoe haka ny volany latsaka ao ambany ao, noheveriko fa hoe eo amin'io fako io, hay izy nakao anaty rano", hoy ny renim-pianakaviana iray. Nesoriny teo amin'ny sisin-drano ny kapany, ary niroboka nakao anaty rano izy, niha difotra tsikelikely arakaraka ny nirosoany, ary rehefa tonga teo afovoany, dia nilentika, nipoitra indray mandeha, dia tsy nipoitra intsony, raha ny fitantaran'ireo nahita maso. Efa za-drano, efa zatra misaka pirina i Dety raha ny fanamarihan'ireo mahalala azy. « Tsy izy mihitsy no heverina hamono tena », hoy hatrany izy ireo. Tonga teny an-toerana ny vadiny izay tamim-pahatairana sy alahelo no nandrenesany tamin'ireo mpiara-monina, fa latsaka ao anaty rano ny vadiny. Nampandrenesina ny mpamonjy voina ary nezahana nofehezina ny fitangoronana, ka tamin'ny 5ora hariva sy 10 minitra no hita izy, izay efa vatana mangatsiaka. Fanamarihana sy fanentanana nentin’ny mpaneho hevitra samihafa moa ny hoe : rehefa misy zavatra lasan’ny rano indrindra fa rano mandeha dia aleo hafoy. Eo ny loza efa ho avy sy ny andro miditra, fa maro ihany koa ny manamarika ny maha manan-jina, misy fanahy, misy lolo,… ny rano sasany izay mety misy ny mino ary ao ny tsy mino, fa ny zava-dehibe dia ny fitandremana lalandava. Mirary fiononana feno ho an'ny fianankaviany manontolo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT