Actualités

Tranga hafakely Saika nototon’ny omby ny ben’ny tanàna


  • Alatsinainy 29 Jona 2020

Saika zava-doza no nitranga ny sabotsy teo raha nanolotra fanampiana ho an’ny mpitandro ny filaminana ny kaominin’Antananarivo renivohitra (CUA).

 

 

Raha iny nanatona mba saika hijery ilay omby natolony iny ny ben’ny tanana Naina Andriatsitohaina ; nitroatra avy hatrany ilay omby ary saika hitrongy sy hanoto azy.Soa ihany fa nifatotra, mailaka ihany koa ingahy ben’ny tanàna ka tafahemotra ara-potoana fa raha tsy izany dia voatrobaky ny tandroka miraniranin’ilay omby teo. Ho fanamarihana ny fetim-pirenena sy famporisihana ny asan` ny mpitandro filaminana moa dia nanolotra omby roa sy vary 20 gony ho azy ireo ny CUA ny sabotsy lasa teo.Fantatra nandritra izany fa hiara-kiasa akaiky amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra mba hametrahana ny fandriampahalemana ny Etamazaoron’ny tafika an-tanety. Amin` izao fotoana izao dia mbola miasa ireo miaramila (Police Militaire) manao fisafoana manerana ny tanàna ary hohamafisina izany. Tsy amin` izay sehatra izay ihany fa amin`ny fandaminana amin` ny ankapobeany. Mipetraka ho olana koa mantsy ny fifamoivoizana sy ny tsy filaminan` ny tsena. Manoloana izany dia mbola mitohy ny fandaminana amin` ny sehatra maromaro toy ny fitaterana, ny mpivarotra… amin` izao fotoana izao hoy Naina Andriantsitohaina, ben` ny tanànan` Antananarivo Renivohitra.

Marigny A. sy Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT