nandevenan'ny fianankaviana ?
Misy tranga hafahafa tsy dia fahita ao amin’ny faritra « Kesika Be », Golan Anosisoa Ambohimanarina. Voalaza fa nisy razana nalevina tao amin’ny fasana iray tsy natokana ho azy, teo anelanelan’ny 18 sy 25 Jolay 2026. Araka ny vaovao niparitaka, hita teny an-toerana ireo soratra tamin’ny « couronnes » nisy teny hoe « Ho an’i Mama Malalanay » sy « Ho an’i Tantely Namanay ». Ireo no heverina fa mety hanampy amin’ny famantarana ny fianakaviana voakasika amin’ity raharaha ity. Ny fianakaviana mitady dia miantso an’ireo olona mahafantatra na manana vaovao momba ireo anarana voatonona mba hifandray haingana amin’izy ireo. Raha tsy misy valiny azo hatramin’ny 15 Septambra, dia voalaza fa handray fepetra ny fianakaviana mba hahafahana mamindra ilay razana amin’ny toerana tokony hisy azy. Ho an’izay manana vaovao: afaka mandefa hafatra mivantana amin’i Besoa Razafimandimby, na miantso ny laharana 0345487119. Toa mahalasa saina ihany anefa amin'ny lafiny iray hoe : raha tena diso fasana tokoa ny mpandevina, tamin'ny fomba ahoana no nahafahana namoa ny fasana na ara-panjakana io na teo amin'ny fombafomba ara-pianankaviana rehefa misy fandevenana ?
Nangonin'i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.