«Traiteur» tsy tonga tamin’ny fanateram-bodiondry

Efa naka 9 tapitrisa Ariary tamin’ny mpanambady


  • Alarobia 18 Septambra 2024

Saika nitafy henatra ny fianakaviana roa tonta tamina raharaham-panambadiana niseho ny alakamisy lasa teo,

tetsy Ampitatafika. Hatezerana, hakiviana, fahadisoam-panantenana no hita niseho tamin'ireo fianakaviana nanatrika ilay fanateram-bodiondry satria tsy tonga ny "Traiteur" na mpikarakara lanonana, hoy ny fanazavana. Raha ny nambaran’izy roa kely tompon-draharaha dia volabe mitentina 9 tapitrisa Ariary no lasan’ilay mpikarakara sakafo saingy tsy nipoitra izy rehefa tonga ny fotoana hanatanterahana ny raharaham-panambadiana. Voatery namorona ny tsy misy, araka izany, ny fianakaviana roa tonta mba tsy hitafy fahafaham-baraka noho ny tsy fahatongavan’ilay mpikarakara sakafo. Nanao fifanarahana tamin’izy mivady kely ity «Traiteur» ity ka ny 14 aogositra 2024 no nandoavana ny ny 25%-n’ny vola voalohany. Nisy indray ny fandoavana ny vola fanindroany. Ny fanintelony kosa indray dia tsy maintsy naloa avokoa ny 50%-‘ny vola ambiny tamin’ny fifanarahana natao. Nambaran’ireo lasibatra fa ny alarobia hariva mialoha io raharaha io dia efa tsy nandray finday intsony ity lehilahy «traiteur» tompon’antoka tamin’ny fikarakarana ny sakafon’ireo mpanambady. Voatery tsy maintsy namorona ny tsy misyireo mpanambady, izay nahatratra 150 ny olona nasaina. Nametraka fitoriana avy hatrany izy mivady sy ny fianakaviana teny anivon’ny Mpitandro filaminana. Ny zoma lasa teo, taorian’ny angom-baovao rehetra, dia voasambotra tao an-tranony ity lehilahy mpikarakara sakafo nivadi-pitokisana ity. Ny borigadin’ny Tana Ville, araka izany, no nandray an-tanana ny raharaha. Niakatra fampanoavana ny alatsinainy lasa teo. Vesatra niampangana azy dia fivadiham-pitokisana sy fanalam-baraka ireo mpivady kely nanatanteraka raharaham-panambadiana. Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ity lehilahy tompon’antoka tamin’ny fakàna ny volaben’ireo mpanambady saingy tsy nisy akory ny sakafo tokony ho nokarakarainy. Hiakatra fitsarana ny 24 septambra izao ity raharaha ity. Manahy mafy ireo fianakaviana lasibatra tamin’ny fivadiham-pitokisana sy fanalam-baraka ity sao ho vitavita ho azy fotsiny ny raharaha ka ho afa-maina ilay lehilahy nivadi-pitokisana, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Légende: Ilay «traiteur»
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT