Actualités

Trafikana zava-mahadomelina Rongony 350 kg no tratra teny Vinany


  • Zoma 21 Aogositra 2020

Lehilahy miisa roa no voasambotry ny Sampan-draharahan’ny Polisim-pirenena miady amin’ny zava-mahadomelina (STUP) ny alarobia 19 aogositra teo teny Ampitatafika noho ny fitaomana rongony.

 

 

 

 Ny alatsinainy 17 aogositra teo no nahazo loharanom-baovao ny avy ao amin’ny sampan-draharaha miady amin’ny fifohana sy fipariahan’ny zava-mahadomelina ao amin’ny polisim-pirenena mikasika ny fisiana andian’olona mitatitra sy manatoby rongony eny Ampitatafika. Nanao fitsirihana avy hatrany ny polisy ary nanao ny fikarohana rehetra hisamborana ireo olon-dratsy. Ny alarobia 19 aogositra , tokony ho tamin’ny 04 ora maraina ary dia fantatra fa hisy rongony hotanterina indray avy ao Ampitatafika ka entina eny Vinany Ambavahaditokana, samy distrikan’Atsimondrano. Nosakanana avy hatrany ary ilay fiara ka rongony miisa 14 gony no tra-tehaka tao anatiny. Nosamborina avy hatrany ny mpamily ilay fiara sy ny mpandeha iray izay niaraka taminy. Ity farany moa izay nilaza fa tompon’io entana io. Niroso tamin’ny fisavàna ilay trano izay saika hitondrana ireto rongony tao Vinany ny Polisy ka rongony 15 gony no tra-tehaka tao. Marihina fa vaky nandositra avokoa ny tompon-trano raha vao nahita ny fahatongavan’ny Polisy. Nogiazana avy hatrany ireo rongony miisa 29 gony tratra ireo izay milanja 350 kilao. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa an’ilay tovolahy mpandeha, ireo rongony ireo. Voalazany fa novidiany teto Antananarivo ihany ireo, ary 200.000 Ar ny nividianany ny iray gony. Nokasainy hamidy 300.000 Ar indray izany avy eo. Nilaza ho voafitaka kosa ilay mpamily satria nambaran’io tovolahy io fa lamba amin’ny gony no hotanterina ary izy ihany no nampiditra ireo entana ireo tao anatin’ilay fiara. Mbola mitohy ny fanadihadiana. Tsiahivina moa fa anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana eny Ampitatafika sy ny manodidina ny fiparitahan’ny rongony tahaka izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT