Trafikana volamena tsy mety tapitra

1,780kg indray tratra teny Ivato omaly


  • Zoma 31 Janoary 2025

Bolongam-bolamena na « lingot » milanja 1,780kilao indray no tratra tamina mpandeha saika

hiondrana tamin’ny sidina Ethiopian Airlines ET 852 omaly alakamisy 30 janoary 2024. Napetraky ny mpiray tsikombakomba mialoha tany anaty koveta fivoahana (toilettes)-n’ny « salle d’embarquement » ity volamena ity no nalain’ny olona hitondra azy. Tsikaritry ny mpiasan’ny Fadintseranana dieny mialoha ny anefa ny fihetsik’ity mpandeha ity ka vao nivaoka ny fivoahana izy dia tratra avy hatrany, raha ny tatitra. Eo an-dalam-pikarohona ny mpiray tsikombakomba aminy ny Fadintseranana ankehitriny, hoy ny fampitam-baovao. Fanintelony hatramin’ny volana desambra izany izao ny trangana trafikana volamena sarona, izay saika ho any Dubaï avokoa amin’ny ankampobeny no hitondrana azy. Nisy 13kg mahery sarona, teo ihany koa ilay 53,7kg, dia izao mbola misy tranga izao ihany. Hatreto, saika ireo mpitondra ny entana hatrany no sarona sy manefa fa tsy mety mivoaka kosa ny hoe : iza marina no tena matretre ao an-damosin’itony afera goavana itony ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT