Trafikana volamena sy famotsiam-bola

Karana 4 voarohirohy, rahampitso talata ny didim-pitsarana


  • Alatsinainy 15 Jolay 2024

Hitodika eny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy indray ny mason’ny rehetra ny talata 16 jolay 2024

rahampitso) ho avy izao satria hivoaka amin’io andro io ny didim-pitsarana mahakasika ireo teratany karana 4 voarohirohy amin’ny resaka trafikana volamena sy resaka famotsiam-bola. Ny 3 amin’izy ireo amin’izao fotoana no voatana eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy dia i D K, S R ary M D. fa ny iray kosa, S K dia efa tafaporitsaka lasa nandositra atsy amin’ny Nosy La Réunion. Maro be ireo miandry ny Fitsarana mba hitsara sy hamoka ny didy ara-drariny sy araka ny hitsiny momba ireo raharaha ireo, satria lazaina ombieniombieny misy ny ezaka iadiana amin’ny kolikoly sy ny trafika maro samy hafa amin’izao fotoana eto amin’ny firenena. Fotoana izao, hoy mpanara-baovao hanaporofoan'ny fitsarana fa mahavita mitsara araka ny lalàna, ny rariny sy ny hitsiny izy ireo fa tsy sanatria manaiky tsindry sy ny mpanao lava tanana manery mivantana na ankolaka any ambadika any. Efa maro ireo mpisintona lakolosy amin’ny tambazotran-tserasera sosialy no manaitra ny maro sy ny manam-pahefana kanefa toa tsy misy vokany foana izany. Mitady ho afa-maina ireo fanetriben’ny firenena amin’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena i, ny iray aza moa araka ny efa voalaza teo dia efa lasa any La Réunion. Maro ny resaka mbola mandeha ihany koa momba ireo 3 hafa ambara fa hoe mifonja eny Tsiafahy. Ho hita eo izay ho ambaran'ny fitsarana rahampitso !
Nangonin'i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT