Trafikana volamena avo lenta

Olona 3 natolotra ny PAC, ny irakakiraka ihany no manefa…


  • Zoma 27 Desambra 2024

Natolotra ny fampanoavan’ny PAC (Pôle Anti-Corruption ) omaly ny olona 3 voarohirohy

tamin’ny raharaha trafikana volamena 53,7 kg tratran’ny Fadintseranana teny Ivato ny 23 desambra teo. Lehilahy iray nitondra “valise_diplomatique” saika hiondrana tamin’ny sidina Ethiopian Airlines ET 852 ho any Dubaï, mandalo an’i Addis-Abeba, no nahatratrarana ny volamena teo am-pandalovana ny fisavana ataon’ny Fadintseranana. Mpiasam-panjakana 2 ao amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny no naterina teny amin'ny PAC miaraka amin’iry olona nitondra ny “valise diplomatique”. Ny mpiasam-panjakana iray nisandoka andraikitra nanao sonia ny taratasy hosoka nanome alalana ny fampiasàna ny « valise diplomatique » nentin’io olona io kosa dia mbola karohina ankehitriny. Ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny Chancellerie Diplomatique Soananata Fanambinana Julien Dersen io ifampitadiavana io. Manameloka tanteraka ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny fanaovana hosoka nahatafiditra mpiasan’ny minisitera, hoy ny fanambarana nataony omaly. Taratasy misy fitombokase menamena izay ara-panjakana, raha ny fahitana azy. Ity tranga ity dia tsy nisy fanomezan-dalana, midika faniratsirana sy fanitsakitsahana tanteraka ny fiandrianam-pirenena ary ny voninahitry ny Minisitera, izay sady antoky ny hasin’i Madagasikara no tandroka aron’ny voninahitra nasionaly, ary manimba tanteraka ny endriky ny Minisitera sy ny asan’ireo mpiasa mendrika sy manao ny asany amin’ny fahitsiana sy fahafoizan-tena izany fihetsika izany, hoy hatrany ny fanambarana. Nilaza fa efa nampiakatra raharaham-pitsarana haingana ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny ary miara-miasa akaiky amin’ireo tompon’andraikitry ny fanadihadiana mba hanatanterahana fitsarana araka ny tokony ho izy. Ho fitandroana ny voninahitra sy ny fiandrianam-pirenena, dia tsy hisorona amin’ny fandraisana fepetra hentitra ny Minisitera na iza na iza no tompon’antoka, hoy hatrany ny tatitra. Na izany aza, inoana fa tsy tranga maningana, fa zary efa fanaon’ireo olona ambony sy manam-pahefana sasany ny tahaka izao satria tsy misy olona tsotra afaka hanao tsindry amin’ny resaka trafikana volamena izany. Ampahany vitsy amin’ny tratra itony, raha ny tatitra iraisam-pirenena samihafa sy ny tatitra avy eto an-toerana izay am-polo na an-jato taonina isan-taona. Firifiry ireo olona ambony na olom-boafidy voatonona na voasaringotra amin’ny trafika goavana fa toa vitavita ho azy eny ihany !? Ireo irakiraka hatrany no toa sarona tamin’ireo trafika goavana raha tsy hilaza afatsy ilay 73 kg mahery tany Afrika Atsimo, ny 49kg tatsy Kaomoro, ity 53kg mahery tratra vao andro vitsy ity,… fa moa mba tena nivoaka ny anaran’ny tena tompony ary mba niharan’ny lalàna ? Hivoaka ve ny anaran’ny tena tompon’ity volamena vao tratra ity fa rehefa zohiana dia tombanana ho ao anatin’ny tambajotra sy mpanamora ara-taratasy fotsiny aloha io ifampitadiavana io ary mety mpitondra na « passeur » ihany ilay efa tratra fa tsy ny tena tompon’ny entana ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT