Trafikana volamena

13,865 kg tratra teny Ivato


  • Alakamisy 12 Desambra 2024

Volamena lingots miisa telobe izao, milanja 13 kilao sy 865 grama, no tratra teny amin’ny Serabam-piaramanidina Ivato omaly Alarobia 11 Desambra.

Tao anaty entan'ny mpandeha terat-any Malagasy iray hiondrana amin'ny sidina ET 852, nikasa ho any Addis Abeba izy ireo no hitan’ny mpiasan’ny Fadin-tseranana. Nandalo ny fisavana ity mpandeha ity, ary tsy nahitana na inona na inona tany aminy, hoy ny vaovao. Rehefa tafiditra tany amin’ny "salle d’embarquement" anefa izy dia nizotra avy hatrany tany amin’ny toeram-pivoahana ka narahin’olona iray. Nampiahiahy ny tompon’andraikitra izany fihetsika hafahafaha nataon’io olona io izany ka naverina nosavaina indray izy sy ny entany, antony nahatrarana ireo volamena lingots miisa 3 ireo. Olona miisa 2 moa no voasambotra hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay.
Nangonin’i Pati
Legende : Nivongavongabe tahaka izao ireo volamena lingots miisa 3 ireo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT