Mihamazava ny resaka ankehitriny manodidina ity vaky fasana sy halatra taolam-paty mirongatra manerana ny Nosy ity. Atao akora hanamboarana fitaovana fanondranana vovoka drôgy mahery vaika toy ny “heroďne” sy “cocaďne”indray izao ny taolam-paty.
Anamboarana “tendeur” valizy
Efa tsy mahomby loatra intsony ny fampitelemana bolabola na “géllule” voasesika “heroïne” sy “cocaïne” na fanisihana azy any anaty lavabody, satria matetika no vaky mialoha ny hahatongavana any amin’ny toerana tokony handefasana azy izy ireny ka mamparary na mahafaty ilay olona ampitelemana azy. Nahitana fomba vaovao indray ireo mpanao trafikana zava-mahadomelina dia ny fampiasana ny taolam-paty. Potehina ho lasa vovony izy io, avy eo ampiarahina amina taharo hafa ho lasa paty. Io paty io indray no polesina hanamboarana “tendeur” na fanenjanana ampiasaina amin’ireny valizy na “sac à main” ireny. Asesika ao anatin’ilay “tendeur” ny vovoka “heroïne” na “cocaïne”. Mahazaka antsasa-kilao hatramin’ny 5kg isaky ny mandeha ny valizy iray, izay mety ho akanjo no ao anatiny. Manodidina ny fito hetsy ka hatramin’ny roa hetsy sy iray tapitrisa Ariary no ivarotana ny iray grama amin’ireto farany.
Tsy hitan’ny “scanner” ?
Ho an’ny mpahalala dia tsy hita amin’ny “scanner” ny singa avy amin’ny olombelona ka izay no mety tsy ahatrarana ireto drôgy mahery vaika ireto. Avy any Afrika, Tanzania sy Kenya no anarana firenena re hatreto fa fiaviany dia tonga eto asisika anaty valizy mba haondrana any Eoropa sy Azia mipaka hatrany Etazonia any. Tambajotra matanjaka izy ity, ka Karana sy Afrikanina ary Malagasy no miray tendro ao anatiny. Anaram-bositra avokoa, toy ny hoe : Alex, Mimie, … no ampiasain’izy ireo ifaneraserana, ary matetika dia amina hotely eny Tsaralalana izy ireo no mifamotoana mandrindra ny zavatra hatao. Efa nisy ihany malagasy voatana am-ponja teny Antanimora nandritra ny iray volana noho ity trafika ity.
Tsy afa-maina
Araka ny fantatra dia enina alina ka hatramin’ny telo hetsy Ariary no andraisan’ny mpanera ny taolam-paty iray kilao. Raisin’ny Karana hatramin’ny roa hetsy sy iray tapitrisa Ariary indray avy eo. Toerana telo, dia Antananarivo sy Manakara ary Mahajanga no voalaza hatreto fa misy ny fikarakarana ireo taolana ireo. Tsy afa-maina izay olona tafiditra ao anaty tambajotra ka mitady hiala, toy ny nahazo an’i Martial, avy any Sofia any, nodimandry tamin’ity taona ity raha nikasa hijanona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.