Actualités

Trafikana Sokatra «Angonoka» Tanora tsy an’asa no mpanao azy


  • Zoma 22 Septambra 2017

Tandindomin-doza ary tena atahorana ny tontolon’ny sokatra «Angonoka» eto Madagasikara.

Zava-misy ahiana ankehitriny mantsy ny fahavitsian’ity karazam-biby tsy fahita afa-tsy eto amin’ny firenentsika ity mihoatra amin’ireo naondrana tsy ara-dalàna any ivelany. Vahaolana mahomby nanapahana ny rojo tambajotran’ny fanondranana antsokosoko anefa ny fisian’ny tetikasa fiarovana ny sokatra «Angonoka», hoy ny mpandrindra Hasina Randriamanampisoa. Vokatra mivaingana ohatra ny fisian’ireo olona mpivarotra sokatra voasambotra efa natolotra ny fitsarana. Fanadihadiana manokana natao niandraiketan’ny sampana Madagasikara Voakajy tao anatin’ny tetikasa moa ny fijerena ireo sokajin’olona vitsy manao ny asa ratsy amin’ny fanondranana antsokosoko io karazan-tsokatra mampiavaka ny distrikan’i Soalala io. Nivoaka tamin’izany fa ampahany kely amin’ireo tanora any an-toerana no roboka amin’ny fikarohana «Angonoka» any anaty kirihitra ala. Antony iray mampijabaka ireo zatovo mikarama amin’izy ity ihany koa ny tsy fisian’ny asa ho azy ireo noho ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra. Nirongatra be moa ny fihazana sokatra tao Soalala tamin’ny taona 2016 satria nahatratra hatrany amin’ny 600.000 ariary ny vidin’ny «Angonoka» iray efa manatody.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT