Trafikana hazo sarobidy

Tambajotra iray sarona tany Ivoloina Toamasina


  • Alatsinainy 30 Desambra 2024

Kamiao miisa 3 nitondra hazo voamboana (palissandre) miisa 341 sy hazo ala (Nato) miisa 264

tsy ara-dalàna no saron’ny zandary tany Antaratasy-Ivoloina any Toamasina ny 27 desambra teo, raha ny tatitry ny Minisiteran’ny tontolo iainana. Sambo avy any Mananara Avaratra no nitondrana ireto hazo ireto ary nampidirina tao anatin'ireo kamiao 3 ireo tao Foulpointe. Olona miisa 8 no voasambotra niaraka tamin'ireto hazo ireto izay nahitana ny tompon'ny hazo ary ny mpamily ny kamiao. Nogiazana avokoa ireo kamiao miisa 3 ireo sy ny hazo niaraka taminy. Ireo olona tratra kosa dia efa miatrika ny fanadihadiana iarahan'ny DREDD Atsinanana sy ny zandarimariam-pirenena, ary tsy maintsy hatolotra ny fitsarana aorian'izany, hoy hatrany ny tatitra. Ankasitrahana tanteraka ny fanomezam-baovao avy amintsika nahafahana nahatratra ity fitrandrahana an-tsokosoko ity, ary manasa anao hiantso hatrany ny laharana maitso 955 raha mahatsikaritra fitrandrahana an-tsokosoko harena voajanahary, hoy ny fanentanana. Zava-dehibe ny vokatra tahaka izao, saingy marihina hatrany fa tena henjana ny tambajotra mpandripaka ala arovana sy mpanao trafikana harem-pirenena na biby io na zava-maniry eto amintsika. Isan’ny tena mahasarotra ny ady atao ny fisiana olona ambony sy manam-pahefana ao ambadika sy mpiray tendro. Raha ny resaka fandripahana ala sy fitaterana hazo sarobidy ohatra, dia vao nanaovan’ny Firaisamonim-pirenena maro be fanamarihana ny fisian’ireo olom-boafidy tafiditra tamin’ireo raharaha goavana toa ninianana nampanginina. Efa zava-dehibe aloha ary inoana sy irariana mba hanao randran-tarihina amin’ny fahasahiana nanenjika sy nanagadra vonjimaika ilay depiote iray tratra tamin’ny trafikana sokatra fa raha izao no mitohy dia ho anarana sisa hotsaroana sisa ireo harena voajanaharin’i Madagasikara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT