Fiara lehibe telo nitatitra hazo antsokosoko niainga avy any amin’ny Distrikan’Andramasina
no saron’ny Sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Teny amin’ny PK 14 eny Bongatsara amin’iny làlam-pirenena faha-7 iny. Miisa 574 ireo hazo sarona ireo, izay 281 tamin’ireo dia hazo sarobidy voamboana avokoa. Nampiahiahy ny fisiana fitaterana amin’ny alina, ka narahi-maso sy notratrarina ny maraina izy ireo. Hazo vao avy nokapaina na “nouvelle coupe” ireo tratra, izay amidy 2 hetsy hatramin’ny 4 hetsy ariary ny iray. Nogiazana ary lasa fananam-panjakana avokoa ireo hazo, araka ny lalàna. Mbola misy ihany koa ny raharaham-pitsarana, izay ny mpitsara no tompon’ny teny farany mazava ho azy momba ny sazin’ireo tompon’antoka tamin’izao raharaha izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.