Trafikana harem-pirenena sesilany

Sokatra sy tarondro ary bibilava 31 sarona teny Ivato


  • Talata 07 Mey 2024

Karazam-biby tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara telo karazana be izao no fantatra

fa saika haondrana lehilahy tera-tany Israeliana iray tany ivelany omaly. Raha araka ny fantatra dia nandray ny sidina ET 852 ho any Athènes Grèce no tena anto-dian’ity tera-tany Isareliana ity, saingy tsy maintsy mandalo Addis Abeba ny tenany. Tsy maintsy mandalo fisavana avokoa anefa rehefa mandalo etsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Fadin-tseranana nandritra izany fa miisa 31 ireo zava-manan’aina saika haondran’ity tera-tany Israeliana ity an-tsokosoko tany ivelany. Miisa 8 ny sokatra, 20 ny tarondro ary miisa 3 ny bibilava. Notsindriany manokana fa ankoatra ireo karazam-pitaovana fitiliana ireo entana kasaina havoaka any ivelany dia efa manana alika vita fiofanana ihany koa ny fadin-tseranana mitily sy mijery ireny karazana zava-manan’aina ireny, antony nahatrarana azy ireo. Omaly hariva ihany moa dia efa notazonina mba hatao fanadihadiana ilay tera-tany Israeliana. Andro vitsy taorian’ilay fahatrarana sokatra 1076 sy gidro 48 tany Thailande ny 01 mey teo no misy ity tranga ity. Fifandrifian-javatra ihany sa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny propagandy tahaka izao no tena mitombo be ny trafika ? Sao mba natao hanakonana ilay tranga goavana any ivelany sy hanehoana fa tena miady amin’ny trafika ny Fanjakana dia nasiana ity tranga iray ity ? Momba ilay tranga tany ivelany mantsy, ankoatra ireo olona 6 voasambotra any dia misy olona 4 nambara fa efa voasambotra ao amin’ny fadin-tseranana. Nambaran’ny Minisitry ny tontolo iainana aza, fa misy olona hafa fantatra fa tompon’antoka, ary misy porofo izany. Hivoaka ary ve ny tena marina momba ny tena tompon’ny entana ? Ho fantatra ve ny tena atidoha sa hijanona amin’ny pirinina ? Handeha ho azy ve ny trafika raha tsy misy manam-pahefana tafiditra ?
Pati sy Toky R
Legende : Tian’ireo teratany vahiny mihitsy ireo karazan-tsokatra misy eto amintsika tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT