Tranga roa samy tsy azo ambaniana ny tsy fandriampahalemana sy ny trafikana “bois de rose” any amin’iny Distrikan’i Tôlagnaro iny.
Nandrasan’ny vahoaka tany an-toerana nitondran’ny filoha Rajaonarimampianina vahaolana mazava mahakasika azy ireo sy ny hampijanonana tsy misy hatakandro ny halatra sy ny fanondranana io hazo sarobidy io. Momba ny tsy fandriampahalemana dia noteren’ny zava-misy any atsimo ny fitondran’ny Hery Vaovaon’i Madagasikara ka voatery nanao rodobe tany an-toerana hijery ny fomba hamerenana izay tsy fandriampahalemana izay. Nanao fanamby ny tafika sy ny governemanta ary ny parlemantera fa hofongorina ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo. Ny zava-misy anefa, na efa any an-toerana aza ireo mpanao “opération coup d’arrêt”, mbola ny omaly tsy miova ny tsy filaminana. Manaporofo izany ny hamaroan’ireo kilonga tsy afaka mianatra intsony hatramin’izao, satria mbola mipetraka any anaty ala ny mponina noho ny tahotra. Nandamoka ny fampihavanana nokasain’ny filoham-pirenena hatao teo amin’ny mponin’Andranondambo sy Ambatotsivala.
Bolabolan’andramena miisa 1200 efa vonona ka miandry mpaka fotsiny
Fa anisan’ny nampalaza ratsy an’i Tôlagnaro ihany koa ny fanondranana an-tsokosoko “bois de rose”, izay mahavoasaringotra olo-maventy, mpandraharaha teratany sy vahiny ary mpitandro ny filaminana. Araka ny loharanom-baovao dia misy bolabolan’andramena 1200 efa vonona ka miandry mpaka fotsiny, ka 1400 any Manambato-Antsotsona, amin’ny tapany avaratry ny Distrikan’i Tôlagnaro ary misy 400 any Mokala, Kaominina Sarisambo, amin’ny ilany atsimon’ny Distrikan’i Tôlagnaro. Nanaitra anefa, hoy ny loharanom-baovao, fa tsy nasian’ny filoham-pirenena resaka mihitsy na dia kely aza ny mahakasika azy io nandritra ny fandalovany tany ny zoma lasa teo. Samy sadaikatra ny rehetra, indrindra ireo mpiaro ny tontolo iainana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.