Actualités

Trafikana Boaderozy Mpandraharaha 3 ho samborina


  • Sabotsy 30 Septambra 2017

Netsehan’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ny raharaha boaderozy ka nisy ny famoahana anaran’olona telo mianadahy miaraka amin’ny didy fampisamborana azy ireo navoaka nanomboka omaly.

 

Olona efa fantatra hatry ny fitondrana tetezamita ireo voatonona anarana ireto, honohono moa no betsaka tamin’izany fotoana saingy efa nandeha ny fanadihadiana sy ny fanangonam-baovao marolafy koa azo antoka fa voamarina ny ahiahy rehetra matoa mamoaka didy fikarohana sy fampisamborana tahaka izao ny Bianco.Voalohany voatonona ao annatin’izao raharaha trafikana hazo sarobidy izao i Maminirina Jean Eddy, izay araka ny tsiliantsofina re moa dia efa hatry ny 2014 no tsy teto Madagasikara intsony fa nanorim-ponenana tany Chine, izay firenena iondranan’ny 90% hazo sarobidy avy aty Madagasikara.Eo ihany koa i Zakaria Soilihi M’ze mpandraharaha ara-toekarena sy Rtoa Hantavololona Laurencia voalaza fa mpivarotra.Raha tsy manana adiresy mazava i Zakaria Soilihi M’ze dia voalaza kosa araka ny karapanondron’izy ireo fa mipetraka eny Ankadivory-Talatamaty Antananarivo i Maminirina Eddy sy Hantavololona Laurencia , saingy mazava ho azy moa fa efa tsy ao amin’io adiresy io intsony ry zareo ary tsy fantatra ny misy azy ireo matoa mivoaka ny didy fikarohana sy fampisamborana tahaka izao.Nifoha indray izany ny aferana boaderozy raha toa ka efa nangingina tato anatin’ny roa taona teo izao.Hita ho manao serasera matanjaka be mombba ity raharaha ity ny Bianco ary tsapa fa tena tapa-kevitra ny hiroso tokoa .Saingy mipetraka hatrany ny fanontaniana hoe :hatraiza no mety ho tongan’izao raharaha izao satria fantatra tsara na dia tsy resahana mivantana aza fa matanjaka ireto olona misehatra eo amin’ny hazo sarobidy ireto, misy ny irakiraka ary misy ny lehibe tena atidohan’ny afera rehetra.Azo antoka kosa anefa raha toa ka tratra ireto olonakarohana ireto fa maro ny anarana hivoaka rehefa atao ny fanadihadiana ka hahafantarana ny tena ao ambadiky ny trafikana boaderozy eto Madagasiikaraizay niroborobo fatratra nanomboka tamin’ny 2009 rehefa nipetraka ny fitondrana tetezamita.Matoa ny Bianco ihany koa no mamoaka ny didy fikarohana dia misy trangana kolikoly voaporofo ao ary mazava be fa nisy olona manampahefana na manana andttaikitra ambony eto amin’ny firenena nandray kolikoly ka nampandeha io fanondranana an-tsokosoko ny hazo sarobidy avy eto Madagasikara io.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT