Actualités

Trafikana Andramena Bolabola 87 tratra tao Amparafaravola


  • Talata 17 Novambra 2020

Bolabolana andramena 87 isa tratra tao ao Amparafaravola omaly 16 novambra

 

 

 vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny  

Fampandrosoana Lovain-javy (MEDD) sy ny Polisim-pirenena, hoy ny fampitam-baovao. Notanana ny mpiambina ny trano sy ny Sefo fokontany atao famotorana. Lasa nandositra ary hokarohina kosa ny tompon'ny trano.Efa mandray ny andraikiny amin'ny dingana ara-panjakana rehetra ny DREDD. Ireo hazo kosa dia efa taterina tsikelikely. Mazava ny hafatry ny Filohan'ny Repoblika ny Piraiminisitra Lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian fa mitohy ny "Campagne tolerance zero" ho an'izay rehetra manao trafikana hazo sarobidy ka ampiharina ny sazy henjana ho azy ireo, hoy ny MEDD. Nankasitraka ny olon-tsotra nizara vaovao ary misaotra ny Polisim-pirenena niara-nisalahy nahatrarana ireo fanetribem-pirenena. Tsy mandeha ho azy ny resaka afera sy trafikana hazo amin’iny faritra Alaotra-Mangoro iny, fa efa misy tambajotra lehibe. Misy toerana tena tafiditra ao anatin’ny firaisana tsikombakomba ny mpiasan’ny tontolo iainana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT