Fomba avo lenta indray no nampiasain'ny mpitondra hazo tsy ara-dalàna. Fiara lehibe manokana, "camion frigorifique" no nitondrana hazo tsy ara-dalana niditra tao Toliara ny sabotsy 23 may teo tany Toliara.
Nisy olona tsara tsitrapo nampandre ny rantsamangaikan'ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovain-jafy, ka nihetsika avy hatrany ny DREDD Atsimo Andrefana. Nosavaina io kamio io ary tratra tao antanan'i Toliara ny nafeninana. Miezaka hatrany ny ministera hanaja ny lalàna velona eto amin'ny firenena. Napetraka amin'ny manampahefana mahefa ny raharaha. . Rtoa minisitra tompon'andraikitra, nandritry ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny karazan-javamanan'aina tamin'ny zoma 22 may, dia nanamarika fa ity taona ity, dia taonan'ny fampieritreretana, nefa koa fanararaotra hitondram-bahaolana amin'ny fifandraisantsika olombelona amin'ny zavaboahary. "Na eo aza ny fandrosoana ara-teknolojika, hoy izy, dia mbola miankina tanteraka amin'ny zava-boahary ny fiainantsika olombelona". Ho an'ny nosintsika, dia "manandanja amin'ny fiainana sy ny toekarena ny fananantsika karazavan-java manan'aina miavaka amin'ny rohi-piainana sy koa ny maha manankerana antsika". Mihoatra ny 80% amin'ny zava-maniry eto dia tsy misy any amin'ny firenena hafa, 60% ny vorona, 92% ny biby mandidy, 99% ny karazan-tsahona ary 100% ny gidro. Ka ho an'ity ministera ity, na eo aza ny tsindry mihatra " tahaka ny fitrandrahana tsy ara-drariny ny harena, ny afo tsy voatandrina na tsy voafehy, ny fiovaovan'ny toetr'andro, ny fihazana sy varotra antsokosoko ny karazam-biby arovana" dia mijoro "hanangana ny hoavy tsaratsara kokoa ny amin'ny fifandraisana amin'ny zavaboahary" ho an'ny fandrosoana lovainjafy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.