Actualités

Trafika sy fandripahana voamboana Voasaringotra ny ben’ny tanànan’Andekaleka


  • Alarobia 02 Septambra 2020

Ny talata 18 Aogositra 2020 no sarona tao tao Moramanga ny "palissandre" na voamboana efa vita "parkex" natao tao anaty gony lehibe mihisa 20 mahery, izay tombanana ho hazo lehibe 200 eo no nahazoana azy.

 

 

 

Ny ben’ny tanànan’Andekaleka no ambaran’ny fokonolona fa tompony ary tratra niaraka amin'ireo entana ireo teo amin'ny garan’ny lamasinina teo Moramanga. Efa voatazona (Fourrière) ao amin'ny CIREF ao an-toerana ireo entana ireo amin'izao fotoana izao. Hiakatra fampanoavana rahampitso alakamisy io raharaha io, raha tsy misy ny fiovana. Manahy anefa ny fokonolona, fa sao ho vitavita ho azy ity raharaha ity, ka mangataka ny fahendren’ny fitsarana mba hanasazy ny ambaran’izy ireo fa olona mpamotika tanindrazana, izay mialokaloka ao anatin’ny antokon’ny fitondrana ka manantena ho voaaro, hoy izy ireo. Voalaza fa efa misy dosie fitorian'ny fokonolona ao Andekaleka an’io momba ny fanimbana  ala sy fitsandrahana voamboana tamin'ny volana jolay 2019. Mangataka izahay fokonolona mba hijerena akaiky ity raharaha ity fa efa maro ny ala efa nosimbain’ity Ramatoa Ben'ny Tananan’Andekaleka ity, hoy ny antso avo.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT