Trafika_Seranam-piaramanidin’i Toliara

Vazaha iray nahatrarana sokatra 6 sy bigibôsy


  • Alarobia 20 Martsa 2024

Lehilahy teratany vahiny handray ny fiaramanidina hiazo an'Antananarivo

no nahatratrarana sokatra miisa 06 tao anatin'ny valiziny teny amin'ny seranam-piaramanidina Toliara omaly 19 marsa martsa maraina. Vao niditra ny seranam-piaramanidina ity farany dia tsikaritrin'ny Polisy fa nanao fihetsika mampiahiahy ka avy hatrany dia narahina maso akaiky. Nosavaina ny valizy noentiny ka nahatratrarana sokatra miisa 06 izay nafeniny tao anaty vata hazo miisa 02. Ankoatra ireo sokatra tao anaty boaty dia nahitana « big boss » telo izay nolazainy fa tsy fantany fa noheveriny fa ranomanitra na ireny « parfum » ireny, kanefa misy soratra mazava. Nanempotra tao amin’ny seranam-piaramanidina ny « big boss » iray fa nopotseriny, saika loza fa soa ihiany fa mbola tsy tafiditra tao anaty fiaramanidina, hoy ny tati-baovao avy any an-toerana. Nentina teny anivon'ny biraon'ny Polisy Ekonomika tao Toliara ity lehilahy ity hatao fanadihadiana, ka mety hiakatra fitsarana anio. Mandeha hatrany izany ny endrika halatra sy trafikana harem-pirenena satria vao telo andro ihany koa izay no nahatrarana votanky na « baobab nain » miisa 1066 tao anatin'ny baoritra miisa 17 sy gony miisa 07 tao Sakaraha, izay saika hoentina aty Antananarivo. Raha voaaro sy tsara tantana ary tena hampiasaina ho an’ny fanarenana ara-toekarena ny harem-pirenentsika tena tsy tahaka izao i Madagasikara, saingy zary olom-bitsy aloha hatreto no tena mitavana sy mambotry azy ireny.
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT