Actualités

Tovovavy vao vita mariazy Tratram-badiny nifanoroka tamin’ny bandy


  • Sabotsy 08 Aogositra 2015

Tovovavy iray 20 taona, vao vita mariazy iray volana teo no tratram-badiny nandeha hiasa nampiaraka sy nifanoroka ary nifamihina be tamin’ny sipany, tsy lavitra trano fandraisam-bahiny sy fisakafoanana lehibe iray ao Toliara, omaly tolakandro.

Rafitra avy hatrany ny ady. Ny tabataban’ilay rangahy tompom-bady sady nidaroka an-dramatoa vadiny no nanaitra ny manodidina sy ireo mpandalo, ka anisan’izany ny mpanao gazety. “Milaza ianao “fa hamangy ny reninao marary no nialanao tao an-trano, kay mandeha mizara sy milalalo fitiavana amin’olon-kafa manila baraka ahy”, hoy ilay lehilahy tompom-bady. Nitsoaka nanao tongotra an-katoka kosa ny rafilahiny hita ho menatr’olona. Ramatoa kosa nigogogogo nitomany sady nifona tamin’ny vadiny fa tsy hamerina ny hadalany intsony, avy eo nitanondrika nandray «cyclo-pousse».


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT