Tovovavy tsy ampy taona, tsy hita 3andro

Noraofin’ny zandary ilay tovolahy nitazona azy


  • Talata 09 Aprily 2024

Tovovavy kely iray tsy ampy taona no fantatra fa nanjavona tsy hita tao an-tokantranony nandritra ny 3 andro tao

 Ambohimalaza ka nanaovan’ny fianakaviany filazana teo anivon’ny Radiom-pirenena Malagasy. Ny 27 Martsa teo kosa no naharay antso ny zandary avy ao Ambohimalaza mikasika ny fisiana tovolahy iray izay mitazona zaza ao aminy, monina eny Antetina, Ambohimalaza ihany. Nidina nanao fidinana ifotony iretsy voalohany ka nandritra izany no nifanenany tamin’ny fianakavian’ireo zazavavy kely tsy ampy taona. Raikitra ny fikarohana ka tratra tao amin’io tovolahy io tokoa ilay zaza tsy ampy taona. Natolotra ny fitsarana ilay tovolahy ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny 03 Aprily lasa teo. Raha araka ny fanazavan’ny mpahay lalana iray moa dia tsy azo hatao velively ny mitazona zaza tsy ampy taona hijanona ao an-tokantranonao fa voararan’ny lalana. Raha sanatria ka tojo tsy fahasalamana io zaza io na nisy olana ka tsy maintsy entina mody dia hampandrenesina avy hatrany ny Fokontany sy ny kaominina ary ny mpitandro ny filaminana mba hampandre ny fianakavian’ilay zaza hoy hatrany ny fanazavany. Pati
Legende : Lasa any Antanimora tsy fidiny ity tovolahy iray ity !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT