Niharan’ny fanolanana in-droa miantoana tato anatin’ny roa taona izao ny tovovavy manana kilema ara-batana vao 20 taona monja monina ao Ambalamahasoa, fokontany Ambinda, kaominina Soavina Ambatofinandrahana
Lehilahy roa mpihavana mpiara-monina aminy ihany no nambaran’ity tovovavy ity fa nahavita ny filan-dratsiny izay nahatonga ilay tovovavy efa tsy salama intsony amin’izao fotoana izao. Araka ny filazan’ireo fianakavian’ilay voaolana dia tamin’ny taona 2012 ny fanombohan’ny fanolanana. Bevohoka ilay tovovavy, saro-piterahana ka tsy azo ny zaza tao am-bohoka. Nanomboka teo no niharatsy ny fahasalamany, lasa kisafotsafotra nefa mbola naolan’ny zana-drahalahin’ilay efa nanolana ity farany ihany izy tamin’ity taona 2014 ity. Efa bevohoka 5 volana ity tovovavy ity amin’izao fotoana izao ka efa miahiahy ny hanjo azy amin’ny fiterahana. Matetika no tsy raharahain’ny olona loatra ny zava-manjo mahazo ny olona marefo toy izao koa manaitra ny tompon’andraikitra ity tovovavy ity hijery akaiky ny olana mahazo azy. Tsy mbola nanao fitoriana ny fianakaviana satria olom-pantatra ihany ireo nahavanon-doza ireo. Mila faizin’ny lalàna manan-kery anefa ny tranga toy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.