Tovovavy iray 17 taona no niharan’ny fanolanana faobe teny Imerinafovoany, andro vitsy lasa izay.
Fantatra tamin’izany fa talen-tsekoly sy mpitandro ny filaminana no anisan’ny voarohirohy amin’ity resaka ity. Tonga teny amin’ny fampanoavana ny raharaha saingy nahazo fahafahana vonjimaika ireto farany. Manoloana izany dia mahatsiaro tena iharan’ny tsindry hazo lena ireto mpitory no sady iharan’ny fandrahonana ihany koa rehefa nitondra ny raharaha teny amin’ny fitsarana. Raha iverenana ny zava-nisy dia nandeha nanatrika fanasana fankalazana tsingerintaona nahaterahan’ny rahavaviny ilay zazavavy ka rehefa nivoaka teny ivelan’ny trano dia nahatsiaro fanina sy narary an-doha taorian’ny fisotroany ranom-boankazo, ka naolana bandy miisa roa. Avy eo niakatra tany ambony rihana satria nahatsiaro reraka kinanjo dia naolana sy novetavetaina bandy miisa efatra indray. Eo anatrehan’izay dia nanapa-kevitra ireto fianakaviany hampakatra ny raharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.