Mampivarahontsana ny nahita ilay vatana mangatsiaka efa rotidrotiky ny amboa, 500 m miala ny tanŕna honenan’io tovovavy io ny faran’ny herinandro teo...
Ny lamba teny an-kodiny sisa no nahafantarana azy fa ny lohany dia efa tapitra niendaka ny nofo. Ny alatsinain’ny pentekosta izy no niala tao amin’ny zanabohitra Ambohimanjaka, toerana izay misy ireo ray aman-dreniny handeha hijery fety. Tsy tafaverina tao an-tanàna anefa izy, ka nihevitra ireto rarany fa manao ny fanaony manitatra ny diany ilay zanany. Izy rahateo tovovavy efa 20 taona. Tantsaha izay sendra nandalo nahatsikaritra zavatra namofona teny an-tanimbary no nanao ny fizahana, ka akory ny hatairany nahita ity vatana mangatsiaka efa rotidrotiky ny amboa ary ny tapany ambony sisa no misy akanjo. Tao amin’ny tanimbary Antanimena manelanelana an’Ambaiboho sy Amparafaravola io nahitana ny razana io. Tamin’ny alalan’ilay akanjo no nahafantarana fa io ilay tovovavy tsy hita hatramin’ny pentekosta. Efa mandray an-tanana ny raharaha ny mpitandro ny filaminana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.