TOVOVAVY NANDORO VOLA

Naiditra am-ponja mba haka saina


  • Alakamisy 14 Septambra 2023

Taorian'ny famotorana nataon'ireo zandary tao Andapa dia natolotra ny fampanoavana tany an-toerana ilay

Ramatoakely nandoro vola nanaparitaka sary tamin’ny tambajotran-tserasera facebook tamin’ny faran’ny herinandro teo. Araky ny fanapaha-kevitry ny Fitsaràna dia naiditra am-ponja vonjimaika any Antalaha izy mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy sy mba hakany saina tsara ka tsy hamerenany intsony ilay fandikan-dalàna, araky ny andininy faha-439 an-dalana faha 1,4 ary5 ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana (Code pénal). Eo ihany koa ny andininy faha-8 ao anatin'ny fehezan-dalàna momba ny serasera (Code de la Communication médiatisée) ary ihany koa ny fehezan-dalàna mirakitra ny Satan'ny Vola araky ny Banky Foibe eto Madagasikara .Ho atao hazalambo moa ireo mbola nanao fandikan-dalàna fandoram-bola tahaka izao hoy ny vaovao.
Pati
Legende : Nahita ny fonja tsy fidiny ity tovovavy ity vokatry ny tendrom-po kely tsy mba namana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT