TOVOVAVY NAMONO TENA

Tara fodiana dia nodarohan’ny zokiny


  • Alarobia 07 Febroary 2024

Tovovavy iray 20 taona monja no maty nanaton-tena tamin'ny tady tato an-tranony

tao Tsararano ambany secteur A, distrikan’i Mahajanga I omaly Talata 06 febroary maraina. Raha araka ny fantatra dia izy sy ny reniny no miara-mipetraka. Mpiasan’ny kaominina ilay Reniny ary miala marainabe amin'ny 4 ora sy sasany isan’andro na amin’ny 05 ora maraina mandeha miasa, hoy ny vaovao. Raha vantany vao lasa anefa ilay Reniny dia namono tena Itompokovvay. Raha ny fitantaran'ny zokiny vavy dia nobedesin'ny zokiny iray mpifanila efitrano aminy Itompokovavy. Tara fodiana mantsy izy afak’omaly Alatsinainy alina. Tonga tamin'ny fikasihan-tanana azy mihintsy izany toy ny felaka sy ny fikapohana ny lamosiny hoy hatrany ny vaovao ka ahiana ho izay ny antony namonoan’Itompokovavy tena. Tohana avokoa ny fianakaviana sy ireo iraitampo aminy manoloana izany. Efa feno taona mantsy Itompokovavy amin’izy ireo ka tsy tokony nodarohina intsony izy fa nanarina fotsiny ihany mba hahatsara ny fiainany. Ankizivavy kely teo an-tanana avy tao amin’ny trano fidiovana kosa no nahita azy efa nihantona tamin’ny tady ka nampandre ny fianakaviana sy ireo tompon’andraikitra. Efa tonga nanao ny asany nanao ny fizahana ny razana moa ny mpitsabo avy amin'ny BMH raha toraka izay ihany koa ny polisim-pirenena.
Pati
Legende: Tahaka izao no niseho tao amin’ny trano nahitana ny vatana mangatsiakan’Itompokovavy omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT