Actualités

Tovovavy miditra any amin’ny cyber Mitady vady vazaha ny 60%


  • Talata 21 Martsa 2023

Mitady vady vazaha amin’ny tambajotran-tserasera facebook ny 60%-n’ireo tovovavy kely miditra any amin’ireny karazana cybercafé eto amintsika ireny amin’izao fotoana izao.

Raha araka ny resaka nifanaovana tamina tompona cyber iray dia misy amin’izy ireny mihitsy no mahalany vola hatrany amin’ny 5.000 Ar isan’andro mba hampiresahana zavaha iray izay tsy misy fanadihadiana intsony na efa vadin’olona na mbola mpitovo. Vola vola no masaka ao an-tsaina fa tsy misy ezaka ny hitady sy hilofo amin’ny fiainana sy ny fianarana intsony. Tsy vitsy koa ireo Ray aman-dReniny mankasitraka izany raha tokony hanitsy sy hanoro amin’ny lalana tsara. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina tovovavy kely iray izay tsy nety nalaina sary dia noho ny fahasahiranana no manosika azy hanao izany. Ny manambady vazaha izao no vola haingana hoy izy no sady misy avenir kokoa. Anisan’ny tombontsoa tena katsahiny araka izany ny handeha ho any am-pitandranomasina rehefa milamina ny fianakaviany eto ary ho lasa tera-tany Frantsay. Mampiresaka na miresaka amin’ny vadin’olona mpanam-bola kosa ny 20% eo ho eo raha kely noho Ravola hatrany. 10% monja sisa raha misy hoy hatrany ity tompona cyber iray ity ireo tovovavy kely mpianatra manao fikarohana na mitady lesona anaty internet fa ny ankoatra izay dia tsy misy azo antoka mihitsy. Tsiahivina moa 30 Ar isa-minitra ny miditra any amin’ny cyber amin’izao miankina amin’ny connexion izany hoe : 1.800 Ar isan’ora. Efa mahazo vary iray kapoaka sy tapany eo ho eo saingy tsy manahirana ireo tovovavy mitady vady izany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT