TOVOVAVY MALAGASY MATY TANY MAYOTTE

Tonga an-tanindrazana omaly ny nofo mangatsiakany, entina any Ambilobe


  • Alatsinainy 11 Aogositra 2025

Nigadona an-tanindrazana omaly Zoma 08 Aogositra raha araka ny fantatra ny

nofo mangatsiakan'iArmella Florent, ilay tovovavy Malagasy vao 19 taona monja hita faty teny akaikin'ny tora-pasik'i Mliha Chanfi Mayotte. Raha tsiahivina kely dia tamin'ny Sabotsy 02 Aogositra alina lasa teo no nahitana ny razana. Mbola tsy fantatra kosa na novonoina izy na nolazoan'ny aretina, antony nitarika ny fahafatesany tahaka izao. Nisy moa ny diabe nataon'ireo vondrom-piaraha-monina Malagasy monina any Mayotte, nihazo ny seranam-piaramanidin'i Dzaoudzi omaly Zoma maraina ho fanaovam-beloma farany an'Itompokovavy. Nifanindry an-dalana tamin'izany ny fitakiana ny amin'ny tokony hamoahana ny marina momba ny nahafaty ity tovovavy ity no sady nisarihana ny sain'ireo tompon'andraikitra any an-toerana ihany lla. Voalaza efa nisy koa mantsy ny fanjavonan'ireo tovovavy malagasy tany an-toerana. Nisy moa ny tsipaipaika nataon'izy ireo ho fanampiana amin'ny fampodiana ny razana any Ambilobe.
Pati
Légende : Mafy ho an'ireo fianakaviany sy ny namany ny nanatrika ny vata nisy ny nofo mangatsiakan'Itompokovavy. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT