Tovovavy 20 taona nifampitadiavana

Nilaza fa tsy tompon’ny tenany rehefa nentin’ny «taxi-moto»


  • Talata 19 Martsa 2024

Mitantara ny nahazo azy i Tahina, izay mipetraka eny Itaosy,

ary nanaovana fikarohana ny sabotsy teo raha nandeha niasa teny Tanjombato ka tsy niverina. Mbola anatin’ny tsy fahasalamana sy rarintsaina na «stress» izy fa efa eo anivon’ny ray aman-dreniny soamantsara, raha ny fitantarany. Nirava avy niasa aho, hoy izy, ny sabotsy ka mbola tsy nody fa nandeha niantsena. Somary hariva nefa vao tafody satria sarotra ny nahitana «bus» na fitateram-bahoaka. Noho ny fahatahorana ny tao an-trano sy mba tsy hodiako alina be dia nandeha taxi-moto aho. Andao hoy izy hanitsy isika dia amin'izay indry tonga aloha. Dodona sy matahotra ny ho bedy aho ka nanaiky hoe izay akaiky ary no aleo andehanana. Taorian'izay tsy haiko na azon’ody na naninona fa ohatrany fanina be tsy tompon'ny tenako intsony aho. Tonga tamin'izay lalan-tany be izay no nijanona izahay dia norahonany aho hoe ento aty ny poketra. Sady nivavaka aho niaro tena dia mba tafatsoaka ka nahita trano kely izay aho dia niantso vonjy tao. Ramatoa mianaka no nampiantrano ahy aloha. Soa fa mba nisy ambina vola taty am-paosiko ka izay no natao saran-dalana nody fa natorony ahy fotsiny ny taxibe andehanako dia niala teo Ankorondrano ary teo no niantso an'i Neny tamin'ny «taxi-phone» dia notsenaina, hoy hatrany ity tovovavy 20 taona ity. Tsy vao sambany no nahenoana tranga mitovitovy amin’izao raha ny mikasika ny «taxi-moto» ary mampametra-panontaniana hatrany moa hoe tena misy tokoa ve ilay fanaraha-maso sy fitorohana ireo tsy tena manao ny asany amin’izy itony sa dia hoe efa azo iny aloha ny taratasy maha ara-dalàna ilay fihariana dia izay ifanarahanareo eo? Tena azo antoka ihany koa ve nefa ny fiarovana ny ain’ireo mpitatitra amin’izy itony satria dia lasibatry ny «taxi-moto» indray koa aloha izany iny ny tovovavy fa vao haingana koa nefa no nisy mpitatitra izay novonoin’ny mpanjifany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT