Tovovavy 16 taona voaolana sady bevohoka

Tovolahy 3 nidoboka vonjimaika eny Tsiafahy


  • Alarobia 21 Febroary 2024

Ranolava ny tatitra mikasika trangana fanolanana saika manerana ny Nosy

amin’izao fotoana izao. Zazalahy miisa 3 izay samy mbola mpianatra avokoa no naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy rehefa nanolana tovovavy 16 taona teny Anjanahary tamin'ny Oktobra 2023, araka ny tatitry ny Polisim-pirenena omaly. Tao anaty tambazotra sosialy Facebook no nifankafantaran'izy ireo ka nisy ny fihaonana voalohany teo amin'izy ireo teny Andravoahangy. Nentin'ilay tovolahy tany an-tranony teny Anjanahary niaraka tamin'ny namany roa hafa ilay zazavavy avy eo. Rehefa tonga tany an-trano anefa dia naolan'izy telo lahy ity farany. Taorian'ny fizahana natao azy dia fantatra fa bevohoka ilay zazavavy, hoy ny tatitra. Vokany, naiditra am-ponja eny Tsiafahy izy 3 lahy rehefa natolotra ny fampanoavana alatsinainy 19 Febroary 2024. Arakaraka ny fisian’ny fanintsian-dalàna izay andrasana fankatoavan’ny HCC na mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana na tsia sy miandry didy fampiharana no toa vao mainka tsy mampahatotra ny mpanolana ? Sa efa izay ilay endri-javatra iainana eny amin’ny fiarahamonina hoe tena maro ny fanolanana fa nisy ny fikitihana ny fehezan-dalàna famaizana vao mitombo ny fahasahian’ny olona mitoroka ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT