TOVOVAVY 14 TAONA, NANDEHA NITSOAKA

Torana tsy nahatsiaro tena tany amin’ny hopitaly ny Reniny


  • Zoma 21 Febroary 2025

Tovovavy kely iray vao 14 taona monja no fantatra fa nitsoaka niala ny tokantranon-dRay aman-dReniny

tany Morondava, Faritra Menabe rehefa leo ny omena ody ambavafo omena azy sy ny tambitamby tsy an-kiato. Nandeha nanaraka ny olon-tiany ny anaovavy ka nikoropaka nitady azy vokatr’izany ny fianakaviana. Ho an’ilay nitondra folo volana an-kibo dia fantatra fa torana tsy nahatsiaro tena izy tamin’ny fotoana nahafantarana izany ka voatery naiditra hopitaly mihitsy. Ilay tovovavy kely kosa nahatsapa ny hirifiriny tsy teo ankohonan-dRay aman-dReniny intsony angamba ka niverina nody ihany. Heverin’izy ireny ho toy ny manao tsikonina angamba ny fiainam-panambadiana ka mbola hiantohan-dRay aman-dReny sy ho feno tambitamby hatrany. Efa salama moa ny Renin’io zaza io raha ny vaovao azo farany. Mbola tsy fantatra kosa izay fepetra horaisina mikasika ity zaza tsy ampy taona nitsoaka ity sy ilay olon-tiany. Tsiahivina moa fa misy hatrany ny ankizy miala ny tokantranon-dRay aman-dReniny eto amintsika. Ankoatra ny fanarahany ny olon-tiany tahaka ity niseho tany Morondava ity dia misy ireo ho entin’ny naman-dratsy raha misy koa ireo hiharan’ny herisetra hataon-dRaikeliny na Renikeliny ka lasa manaotao foana tsy fidiny.
Pati
Legende : Betsaka ireo zaza tsy ampy taona mitsoaka miala ny tokantranon-dRay aman-dReniny amin’izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT