Tovondrafale Tsimihole

"Aza fokafokaina ny tenindrazantsika !"


  • Talata 25 Aogositra 2026

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry

olom-pirenena taorian'ny didy navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana milaza fa tsy mifanaraka amin'ny lalampanorenana malagasy ny lalàna nolanian'ny solombavambahoaka momba ny politikan'ny fampiasana teny malagasy sy ny zo momba ny teny eto Madagasikara. Misy koa ireo tsy manome hasina ka sahy nanatsatso tsotra izao ny fampiasana ny teny Malagasy amin'ny tenimita sy ny fampitam-pahalalana. Naneho ny heviny momba izay i Tovondrafale Tsimihole, Mpampianatra sady mpanakanto rahateo. Niala tsiny mialoha izy raha nanao fanamarihana fa betsaka ny miteniteny fahatany manaratsy ny fanagasiana. Nijoro vavolombelona i Tsimihole nilaza fa "izahay dia taizan’ny Fanagasiana, nianatra tamin'ny teny Gasy hatrany amin'ny garabola ka hatramin'ny kilasy famaranana". Notohizany fa naka bakalôrea teny Gasy izy. "Izahay dia tsy mahatsiaro tena hoe : bado, sanatria… Miteny vazaha tsara tsy misy olana izahay ireo tompoko", hoy i Tsimihole tamin'ny teny feno fahatokisantena. Nomarihiny fa "ireo taranaka niverina amin'ny teny Frantsay no tena vendrana, ary iaraha-mahita izany amin'ny fari-pahaizan'ny mpianatra ankehitriny". Nahitsy ny tenin'ity mpampianatra mpikaroka ity nilaza fa "Aza fokafokaina ny tenindrazantsika, tsy marina ny filazana fa io no nampahantra"... Nofaranan'i Tsimihole tamin'ny teny fampieritreretana hoe : "zavatra hafa no fototr’izao fahaverezan’ny firenena izao fa tsy ny teny Gasy".
Jean D.
Tovondrafale Tsimihole, Mpampianatra Mpikaroka eny amin'ny anjerimanontolo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT