Tovolahy iray 29 taona no fantatra fa hiakatra fitsarana rahampitso Alakamisy 01 May.
Nanarin-dReniny noho ny fandroahany am-badiny tao an-tokantranony mantsy io tovolahy io ka romotra aoka izany. Ilay Reniny indray no nanamparan’ny hatezerany ka noroahiny sy natosiny ary natsipiny avy eny am-baravarana tao amin’ny rihina voalohany. Latsaka vokatr’izany ilay Ramatoa 47 taona ka torana tsy nahatsiaro tena. Ny kartie mobila no niantso ny zandary ka tonga vetivety ireto farany. Nosamborina avy hatrany ilay nahavanon-doza izay naratra ihany koa noho ny fihetsika mahery nataony tamim-badiny sy ny Reniny. Nentina haingana namonjy tobim-pahasalamana ilay vehivavy 47 taona taorian’izany ary efa nahazo fitsaboana ka tsy misy ahiana intsony ny ainy na dia mbola tsy tafatsangana aza.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy saika namono nahafaty ny Reniny !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.