Tovolahy noheverina fa maty

Nipoitra roa taona aty aoriana, olon-kafa no voalevina


  • Alarobia 27 Desambra 2023

Roa taona aty aorian'ny niheverana fa nandevenana azy dia hita sady tonga tao Mahaboboka,

Kaominina Sakaraha, ilay tovolahy nolazaina fa maty nisy namono ary nandotoana ny mpampiasa azy sy ny fianakaviana Bar Kata Toliara ao Tsianaloka, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Raha tsiahiavina ity tantara ity dia nisy tovolahy hiasa tamin’ny zanak’i Bar Kata teo Tsianaloka ka nentina tany Mahaboboka toerana iasany. Tsy hita tampoka ny nanjavonan'ity tovolahy ity ka dia voarohirohy ilay mpampiasa tamin'izany fotoana izany ho namono ity tovolahy ity. Gaga ny rehetra fa ny 24 Desambra 2023 lasa teo dia tonga tao Mahaboboka ilay tovolahy nolazaina hoe nalàna maso sy taova ka rehefa nahita ilay tovolahy ilay mpampiasa azy dia nitondra azy teo amin'ny Ray aman-dRenin'ilay tovolahy. Raha ny fantatra dia efa nitondra faty izay hita tany ambanivohitra Mahaboboka tany ireto fianakavian'ity tovolahy ity ary efa nalevina tany an-tanindrazany ambanivohitry ny Kaominina Soahazo. Miandry ny ho tohin'ity raharaha ity isika satria tezitra sady sorena ireo nolazaina fa namono an'ity tovolahy ity kanefa izy izao velona izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Isan’ny fanontaniana manitikitika etsy an-kilany ny hoe efa nisy nigadra ve izany tamin’ity raharaha ity? Tsy nanana fifandraisana tamin’ny fianakaviany mihitsy ve izany ity tovolahy nanjavona ity? Tsy naman’ny fanakorontanana fiarahamonina ve ny zava-niseho? Maro ireo fanontaniana maha lasa saina ny mpanara-baovao.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT