TOVOLAHY NIFAMALY TAMIN-DRAINY

Maty nananton-tena rehefa avy nandoro ny tranony


  • Talata 13 Febroary 2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao Betsiraha,

kaominina ambanivohitra Lopary, Distrikan’i Vangaindrano ny Sabotsy 10 Febroary lasa teo. Nisy lanonana famangiana tera-bao tao amin’io tanana io ka narahina fisotrosotroana izany. Mamo vokatr’izany ny tovolahy iray 20 taona ka nila ady tamin-dRainy ary niafara tamin'ny fandoroana trano izany. Lasa nandositra ilay tovolahy avy eo ary tsy hita raha tsy tamin'ny 11 ora alina tamin’io andron’ny Sabotsy io ihany. Tsy fantatra anefa na natahotra ny higadra izy na ahoana fa lasa nivoaka ny trano ary maty nanaton- tena tamin'ny tady teny ambony hazo tao Antranombazaha Fokontany Betsiraha indray taorian’izany. Taorian'ny fizahana izay nataon’ny zandarimaria sy ny mpitsabo no nanaporofoana fa famonoan-tena no nahafaty io tovolahy io. Na izany aza mbola mitohy ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana mikasika ity raharaha ity.
Pati
Legende : Nifatotra tadibe tahaka izao ny tendan’ilay tovolahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT