Tovavavy nitsoaka ny trano matetika

Sarona teny amin'ny 67 ha, hatolotra ny Fitsarana


  • Zoma 04 Jolay 2025

Zatovovavy kely iray vao 17 taona monja monina eny Sabotsy Namehana

eny no fantatra fa mitsoaka matetika ny tokantranon-dRay aman-dReniny. Ny 01 Jolay lasa teo ohatra dia nanao fanambarana tamin’ny tambazotran-tserasera indray ny Ray aman-dReniny fa nandao ny tokan-tranony indray ity zazavavy ity. Raha ny voalazan’izy ireo dia efa nitsoaka nandositra nandritra ny 10 andro izy talohan'izao, ary niverina ny 23 Jona 2025 lasa teo. Nijanona 01 andro monja anefa izy tamin'izany dia lasa indray niala ny tokantraanon- dRay aman-dReniny ny 25 Jona lasa teo. Raha nahita izany ny Polisy miady amin’ny heloka mamoafady sy miaro ny zaza tsy ampy taona ary ny olona marefo (PMPM) ao amin’ny kaomisaria Sabotsy namehana dia nandray ny andraikiny, nanadihady ireo Ray aman-dReny izay mipetraka ao amin'ny fari-piadidiany, ary nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fikarohana azy. Ny 02 jolay lasa teo dia hita teny 67 ha ity tovovavy ity. Efa am-pelatan’ny Polisy ny raharaha ka ho atolotra ny mpitsara misahana ny zaza tsy ampy taona izany rehefa vita ny fanadihadiana savaranonando.
Pati
Légende : Tsy maintsy hoalefa harenina any amin'ny Toby fanarenana ihany ity tovovavy kely ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT