Feno 7 taona katroka omaly 02 mey 2024 ny onjam-peo Top Radio 102.8 FM amin’ny endriny ankehitriny
iray amin’ireo orinasa anatin’ny Onet Group International. Foto-kevitra sy lalan-tsaina entin’ny Top Radio ilay hoe : « Sahy miteny ho an’i Gasikara », ary mifototra sy mitodika ihany koa amin’ny hoe : Mitaiza, Manabe, Mampahafantatra, ka nanehoana omaly fa mitohy ny ezaka hivoarana hatrany hatrany hanomezana fahafaham-po ny mpihaina. « Hisaorana ny mpitantana sy tompon' ny onjam-peo 102.8FM, ny mpanao gazety, ny mpamakafaka, ny teknisianina, ny mpanentana sy ny mpamorona fandaharana, ny mpiasa rehetra (ireo izay mbola mandrafitra sy ireo efa nandalo), hisoarana ny mpiara-miasa rehetra, ny mpisehatra sy mpanohana rehetra, fa indrindra, hisaorana ianao mpihaino sy mpankafy ny onjam-peon'ny Top Radio 102.8 FM », hoy ny hafatra niraisan’ny Fianakaviamben’ny Top Radio ny andron’ny omaly.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.