Actualités

Tontolon’ny serasera Haino aman-jery Radio katolika iray norahonana hakatona


  • Alakamisy 02 Aprily 2020

Nahazo fandrahonana avy amin’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny Talem-paritry ny serasera sy ny Kolontsaina any Vatovavy Fitovinany ny Radio Katolika Mazava Atsinana na ny Radio Rakama.

 

 Tratry ny fampitandremana am-bava avy amin’io Talem-paritra io, raha ny fanazavana. Nambara fa manapaka ny fandaharana miaramanonja mainga avy amin’ny CCO Covid-19 eny Ivato. Niezaka nanazava ny tompon’andraikitra, mandefa izany foana ny radio Rakama ary nampitsahatra avy hatrany ny antso an-tariby na “phoning” avy amin’ny mpihaino. Fanindroany ny fampitandremana sy ny rahom-bava hanakatonana io onjam-peo io dia ny 23 martsa sy ny 31 martsa, raha ny fanazavana. Manamafy anefa ny Môpera mpitantana io fa manaraka hatrany ny bokin’andraikitra. Tsy manaiky ny teti-dratsy sy ny fanasoketana, ary manaingy ny tompon’andraikitra hijery ny fomba fiasan’io Talem-paritra io. Tsy vao izao no nisiana fampitandremana sy fandrahonana hanakatona onjam-peo satria nisy ireo efa tratran’izany tamin’ny herinandro ambony, ka isan’ny nandefasana taratasy ny haino aman-jerin’ny Minisitra teo aloha Onitiana Realy, dia ny Fahitalavitra sy onjam-peo Real TV sy Real Radio, ka isan’ny nanenjehana azy ny fampiakarana vahiny naneho hevitra momba ny Coronavirus. Isan’ny naneho hevitra mahakasika izany ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny fiandohan’ny herinandro teo, fa tsy tokony hisy ny fandrahonana sy ny fandefasana “lettre de mise en demeure” izany, fa tokony hifampiresaka.

 AZA MANARARAOTRA…

 Nitondra fanamarihana tao anatin’ny miaramanonja ny Tale Jeneralin’ny serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina Atoa Fanahimanana Tiaray omaly. Naheno izahay, hoy izy, fa misy ireo onjam-peo sy fahitalavitra tsy nahazo fankatoavana teo anivon’ny Minisitera satria misy ny onjam-peo misokatra amin’izao fotoana hisian’ny “réquisition d’office”. Izay tsy mbola nahazo fankatoavana avy amin’ny Minisitera sy ny ARTEC, dia tsy tokony hisokatra sy handefa, fa ny haino aman-jery ara-dalàna ihany no afaka manao izany. Tokony hatsahatra ireny, fa tsy tokony hanararaotra ny fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena, hoy ity tompon’andraikitra ity.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT