Tontolon’ny fizahantany

Nampidi-bola 32 tapitrisa euros ho an’ny 2024


  • Zoma 22 Novambra 2024

Nitombo ny fampidiram-bolan’i Madagasikara tamin’ny sehatry ny fizahantany ho an’ny taona 2024,

raha ny tatitry ny Minisitry ny fizahantany sy ny asa tànana omaly, tao anatin’ny fanokafana ny Tsenaben’ny fizahantany sy ny Asa tànana andiany faha-8 tetsy amin’ny Mahamasina. 32 tapitrisa Euros eo izany ho an’ity taona 2024 ity, raha toa ka 15 tapitrisa euros tany amin’ny taona 2021. Ny fanondranana asa tanana tany ivelany no nambara fa isan’ny tena nampiakatra azy io. 2,5 tapitrisa ny mpanao asa tanana eto Madagasikara ary tsy mitsaha-mitombo izany, izay ahitana sehatr’asa na ''filière'' 15. Nambara tao anatin’ny tatitra hatrany fa maherin'ny 35 tapitrisa Euro ny vola niditra tamin'ny tetibolam-panjakana avy tamin’ny fizahantany, ary asa mivantana maherin'ny 350 000 no ateraky ny fizahantany raha toa ka mihoatra ny 30 tapitrisa kosa ny asa tsy mivantana. Vinan'ny Ofisy Nasionaly misahana ny Fizahantany eto Madagasikara kosa ny hanatsarana ireo karazana tolotra momba ny fizahantany sy hanohanana ireo mpisehatra amin'ny asa tanana mba hiditra amin'ny sehatry ny ara-dalàna. Anisan'ireo dingana nambara fa hirosoana amin'izany ny Tsenaben'ny Fizahantany andiany Faha-8 sy ny Tsenaben'ny Asa tanana andiany voalohany izay tanterahana eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina hatramin’ny 23 novambra io. Tsara ny manamarika sy mampahatsiahy hatrany na izany aza, fa tena mbola lavitr’ezaka ny fanatsarana ny tontolon’ny fizahantany eto na ekena aza fa misy ny ezaka. Anisan’izany ny fotodrafitrasa, làlana, fandriampahalemana, fahamarinan-toerana sy antoka ara-pandraharahana, angovo sy herinaratra,… Tanjona 1000 000 mpizahantany isan-taona no apetrak’i Madagasikara saingy na ilay 500 000 nofaritana nandritra ny Fanjakana teo aloha aza mbola tsy tratra. Ny atsy amin’ny Nosy Maurice izay tsy lavitra antsika ary tena bitika aza anefa mahatratra 3 000 000 isan-taona. Midika fa tena mbola mila ezaka hatrany !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT