miandry ny Bianco ny ENMG
Tontosa omaly 11 mey 2026 tao amin’ny Fitsarana Tampony Anos ny fotoam-pitsarana manetriketrika, nandraisana ny fianianana sy ny fametrahana tamin’ny toeran' ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Fitsarana, lanonana izay notanterahina teo ambany fiahian'ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO, natrehin'ireo vahiny manan-kaja isan-tsokajiny sivily sy miaramila. Nanatanteraka ny fianianana araka ny lalàna ireto manaraka ireto : Ny Kaomisera Jeneralin’ny Lalàna, Ramatoa RANDRIANASOLO Johanna Harini ; Ny Kaomisera Jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana, Andriamatoa RAZAFIMANANTSOA Tafita ; Ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony eto Antananarivo, Andriamatoa MANJANY Bienvenu, Ny Filoha Voalohany ao amin’ny Fitsarana Ambony ao Fianarantsoa”, Ramatoa ARIMALALA Marie Laure, Ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony ao Fianarantsoa”, Andriamatoa RAKOTOSAMIMANANA René. Nitohy tao amin’n Fitsarana Ambony Anosy, izay nametrahana tamin’ny fomba ofisialy an’Andriamatoa MANJANY Bienvenu amin’ny toerany ho Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony eto Antananarivo. Nandritra io omaly io ihany koa no nilazan’ny Minisitry ny Fitsarana fa « Mbola misy ny fanadihadiana ataon’ny Birao Mahaleotena Iadiana amin'ny Kolikoly (BIANCO). Miandry ny valin’izany fanadihadiana izany vao ho fantatra na ho tohizana na tsia ny fifaninana adina am-bava mikasika ny Fifaninana « ENMG » farany teo ».
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.