Actualités

Tontolon’ny fitsarana sy ny politika Nodimandry i Mathilde Rabary


  • Talata 31 Oktobra 2017

Nodimandry omaly alatsinainy 30 oktobra i Mathilde Rabary, vehivavy fanta-daza teo amin’ny tontolon’ny fitsarana sy ny fanaovana politika teto Madagasikara, ary renin’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena ankehitriny Paul Rabary.

 Nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly polyclinique Ilafy izy noho ny aretina nahazo azy. Efa solombavambahoakan’i Madagasikara izy ny taona 1998. Nandritra ny raharaha 2002, dia anisan’ny mpitsara ambony niady mafy tamin’ny fanenjehana ara-pitsarana ny governemanta nisy tamin’izany noho ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona ny tenany. Nilofo tamin’ny fiarovana ny zon’olombelona, indrindra fa ny fiarovana sy fanandratana ny zon’ny vehivavy, ka nananganany ny ivontoerana « Mifohaza », mpiaro ny vehivavy iharan’ny herisetra any an-tokantrano ny taona 2004.  Nahazoany loka iraisam-pirenena mihitsy ny resaka fampiroboroboana ny vehivavy io, ka nibatany ny amboara lehibe « Prix du courage  féminin » mitenina 5 000 dolara nandritra ny fifaninanana nampanaovin’ny UNFPA na Tahirim-bolan’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina, ka ny sekreteram-panjakana Amerikanina Condoleezza Rice mihitsy no nanolotra ny loka tamin’izany fotoana. Nampitombo ny fahafantaran’izao tontolo izao an’i Madagasikara io loka niezinezina azony io. Nivoy ny fanafoanana ny fanavakavahana ara-bolon-koditra ihany koa ny tenany, ary navoitrany izany tamin’ny fandraisana fitenenana teo anivon’ny komitin’ny ONU momba ny zon’olombelona tany Généve ny taona 2007 io, fony izy nisolotena ny Firaisamonim-pirenena momba ny adihevitra mikasika ny fampijaliana misy eto Madagasikara. Noderain’ny UNESCO manokana ny ezaka nataony. Ampahany amin’ireo asa sy adidy lehibe teo anivon’ny firenena sy ny fiarahamonina ihany ireo, fa maro ireo zavatra nataony sy nampiavaka azy, izay azo fintinina amin’ny hoe olona be fikirizana sy nahavita be izy, indrindra fa ny ady amin’ny fametrahana ny vehivavy mba hanana ny maha izy azy. Very olomanga, araka izany, ny firenena nilaozan’ity Raiamandreny ity. Ny Gazety Tia Tanindrazana dia miombon’alahelo sy mirary fiononana ho an’ny minisitra Paul Rabary sy fianakaviana manontolo.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT