Actualités

Tontolon’ny fitsarana Manambana higrevy faobe indray ny mpiraki-draharaha


  • Alarobia 08 Febroary 2023

Manambana hanao fitokonana faobe indray ny Sendikan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana satria tsy nisy vahaolana, fa vao mainka aza fandrahonana no voarain’ny sendika, hoy ny mpitarika.

Efa tapitra mantsy ny fe-potoana napetraky ny Sendika, araka ny fifanarahana tamin’ny Minisitera. Nisy fampanantenana ka nampitsaharana ny fitokonana tamin’ny novambra 2022, saingy tsy araka ny nantenain’ireo mpiraki-draharaha ny vokatra, raha ny nambaran’izy ireo. « Raha tena tany tan-dalàna I Madagasikara, ny minisitra ve mba manaraka lalàna hoe: naoty hanovana lalàna? Taratasy tsotra ifanaovana minisitra no mahatapaka karama ka izany ve no manara-dalàna? Mitaky minisitra mahatapa-kevitra sy mahavaha olana satria ny Minisitra anay dia efa nampitondra hafatra tamin’ny alalan’ny depiote iray ny Minisitra hoe: tsy manana vahaolana ny Fanjakana fa tsy misy vola, fa raha mihetsika ny mpiraki-draharaha dia sazy no omena azy ireo raha misy ny fihetsehana”, hoy ny Filohan’ny Sendikan’ny Mpiraki-draharaha. Milaza hitaky hatramin’ny farany ny fandoavana ny karaman’ireo mpiraki-draharaha 57 izay nambaran’izy ireo fa notapahana tsy ara-dalàna ihany koa ny sendika. “Ho mafimafy kokoa ary tsy ho voafehin’ny rindrin’efatra intsony izahay, fa hivoaka an-dalambe ho eny amin’ny Minisiteran’ny fitsarana eny Faravohitra na ny Minisiteran’ny vola. Handeha ho eny izahay hitaky an’io, avelao ataon’ny Fanjakana izay ataony fa izahay efa vonona hiatrika izay atao anaty”, hoy ny hatrany ireo mpiraki-draharahan’ny fitsarana. Hisy moa ny fivoriamben’nyy Mpiraki-draharahan’ny Fitsarana ny 24 febroary 2023 izao, hanapahan’izy ireo ny tohin’ny fitakiana. Ahiana hisy indray izany ny fikatsoan’ny raharaham-pitsarana noho ny fitakiana sendikaly izay tsy mety tapitra.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT