Actualités

Tontolon` ny Fitsarana Tribonaly 5 sy fonja 8 no haorina amin` ity taona ity


  • Alarobia 17 Jona 2020

Miisa 27 000 amin’izao fotoana izao ny isan’ireo voafonja manerana ny nosy na dia ny fahafaha-mandray nefa dia 11 000 fotsiny. Manarina izany rehetra izany isika, hoy ny praiministra Ntsay nandritra ny tatitra nataony tamin` ireo depiote.

 

 

 

 

Natomboka ny fananganana fonja vaovao tany Imerintsiatosika, Sambava ary Fianarantsoa sy ny fanavaozana fonja tao Moramanga, Ampanihy ary Manjakandriana. Natsaraina sy navaozina ihany koa ny fidirana eo amin'ny Tribonaly Anosy Antananarivo. Natomboka ny fanorenana tribonaly ambaratonga voalohany tao Antananarivo Avaradrano. Amin’ity taona 2020 ity dia miisa 5 ny fitsarana ambaratonga voalohany izay hatsangana eto amintsika dia ny ao Besalampy, Sainte-Marie, Ambilobe, Sambava, Belo sur Tsiribihina. Fonja lehibe (Maisons de force) roa no haorina natokana ho an’ireo mpanao asa anterivozona sy ireo dahalo rain-dahiny dia ny any Tetezambaro Toamasina sy Ikelivondraka Ihosy. Enina ny fonja (Maisons centrales) hatsangana any amin’ny distrika samihafa dia ny Sainte-Marie, Belo sur Tsiribihina, Amboasary-Atsimo, Antananarivo-Avaradrano, Fenerivo-Atsinana, Ambositra. Ho vatsiana fiara manokana hitaterana voafonja sy fiara vonjy taitra (Véhicule cellulaire, véhicule d’intervention rapide) ny fandraharahana ny fonja. Ny tanjona ho tratrarina dia ny fametrahana ny fitsarana manakaiky ny vahoaka sy mba ho fanajana ny zo fototr’ireo voafonja.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT