Nifandinika amin` ny fomba hanatanterana ny fanatsarana ny tontolon` ny fitsarana eto Madagasikara ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana no sady Minisitry ny Fitsarana, Johnny Richard Andriamahefarivo, sy ny masoivoho Indiana miasa sy monina eto amintsika,
Abhay Kumar, omaly tetsy Faravohitra. An-dalam-panatanterahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitsarana roa tonta ary ao anaty fandinihana lalina ankehitriny. Raha vao vita io dia hatao ampahibemaso sy amin’ny fomba ofisialy ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana ho fantatry ny besinimaro. « Anton-diany ihany koa moa ny fangatahana am-panajana fiaraha-miasa ho an’ireo teratany Indiana izay voatazona eto noho ny valanaretina Covid. Miangavy ry zareo ny mba hahafahan’ireo voatazona ireo mifanerasera amin’ny fianakaviany hisian’ny fifanakalozana. Ilay fifanarahana eo amin’ny lafiny Fitsarana eo amin’ny firenena roa tonta moa dia hiompana amin’ny hoe, raha misy teratany Malagasy iharam-boina any Inde, na raha misy teratany Indiana iharam-boina eto Madagasikara dia mba hisy ny fahafahana mampihatra ny fifanarahana na any na eto » hoy ity minisitry ny Fitsarana ity. Marihina fa mbola tsy nisy io fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny Fitsarana io hatreto.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.