Nitondra fanazavana mahakasika ireo fotodrafitrasa sy fanatsarana ireo voafonja eto Madagasikara ny Minisitry ny Fitsarana, Johnny Andriamahefarivo, izay politika voizin` ny fanjakana.
Nambarany hatrany fa porofo hita maso sy azo tsapain-tanana ireo fotodrafitrasa vaovao hatsangana manerana ny Nosy. Ohatra voalohany amin’ireo ny fonja manara-penitra etsy Fonenana Imerintsiatosika sy ny any Fianarantsoa. Mitotaly 14 ireo Fonja vaovao hatsangana ary 10 kosa ireo Fitsarana ambaratonga voalohany (TPI). Izany dia ho tanterahina manomboka izao ka hatramin’ny taona 2022, raha ny tombana ataon’ny Ministeran’ ny Fitsarana sy ny Fanjakana foibe. Amin’ity taona 2020 dia efa hisy ny fanombohana ny asa fanaganana fotodrafitr’asa (Fitsarana ambaratonga voalohany) ka anisan’ny hisitraka izany ireto toerana ireo: Sainte Marie, Sambava, Ambilobe ,Besalampy, BeloTsiribihina. Ho an’ireo fonja vaovao kosa dia hametrahana izany ny ao Toamasina, Ihosy, Antananarivo Avaradrano, Fenoarivo Antsinanana, Ambositra, Sainte Marie, Amboasary Atsimo ary BeloTsiribihina. Ny taona 2021 mbola mitohy ny fananganana fotodrafitr’asa, ka hisitraka izany ireto distrika manaraka ireo. Raha mikasika ny Fitsarana ambaratonga voalohany manokana dia hisy ny fanaovana izany ao Ambatofinandrahana sy Bealalana. Ho an’ny fonja kosa dia ao ami’ny distrikan’Antsiranana, Besalampy, Ambilobe, Atsimondrano Tsiafahy. Any amin`ny Taona 2022 any no eritreretina hananganana Fitsarana ao Mananara sy ao Vohémar. Marihina hatrany fa efa tontosa soamantsara ny asa fanitarana ny fonja ao Sambava izay mahazaka voafonja vaovao miisa 250. Notsipihany manokana fa “tsy miantsy tanterahina ny 20%n` ny asa hatramin` ny faran` ny taona izay baiko avy amin` ny filoham-pirenena”
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.