Actualités

Tontolon’ny fanorenan-trano: Misy fangoronam-bola hafahafa


  • Zoma 26 Febroary 2010

Misy trangan-javatra hafahafa miseho eo amin’ny tontolon’ny fanorenan-trano eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Re mantsy fa misy andian-tanora vitsivitsy mivondrona anaty fikambanana, toa ahian’ny katolika izy io raha ny feo mandeha, mitety birao mandresy lahatra ny mpandraharaha momba ny fotodrafitrasa, indrindra ireo miasa eo amin’ny sehatry ny fanorenan-trano hampiasa vola fa hoe : misy asa atao eny anivon’ny katolika eny.

 

Raha ny resaka mandeha teo am-piandohana dia nitety ireny fikambanan-drelijiozy sy sahan’asa miankina amin’ny fiangonana katolika ireny ireo tanora ireo ary milaza fa afaka miantoka fanorenana fotodrafitrasa toy ny sekoly na trano izy ireo fa mila tany fa izay no ihany ilainy, na izany aza dia mba misy fandraisana anjara biriky kelin’ny mpahazo tombontsoa.
Mahita tetikasa fanorenana tokoa izy ireo, ary tsy vitsy izany. Ary tsy mba kely fa amina miliara ny tombam-bidin’ny asa mifandraika amin’izany, hany ka tsy vitsy ireo mpandraharaha roboka, indrindra ireo salasalany, satria toy ny mana avy any an-danitra ny fisian’ny asa hatao amin’izao andro krizy izao. Raha ny feo re dia hatrany amin’ny 30 tapitrisa dolara ary no tombam-bidin’ny asa hitan’ireto tanora ireto, izay mitsinjara ho «lot» maromaro. Ny manaitra fotsiny amin’ity resaka ity, ary mampieritreritra, dia eo amin’ny fomba fanomezana ny asa an’ireo mpandraharaha voasarik’izy ireo. Amin’ny ankapobeny mantsy dia tsy misy tolobidy mandeha fa tolobotsotra avokoa ny resaka. Ao anatin’izany dia mandoa antoka ara-bola na «caution» izay mpandraharaha mahazo asa, saingy aloa tolo-botsotra izany fa tsy mandray taratasim-bola na koa arotsaka any amin’ny banky ny mpikarakara. Teo am-piadohana dia 6% amin’ny tentim-bidin’ny asa ny antoka ara-bola takian’ireto andian-tanora «mpandraharaha» ireto, ary toa niakatra 10% izany taty aoriana satria betsaka no voasarika. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia tsy misy tetibola mazava ny asa fa amin’ny alalan’ny antoka ara-bola aloan’ireo mpandraharaha nandraikitra asa ihany no anomezana ampahany izay efa nahavita na efa ampanatanterahana ny asany. Izay no midika fa betsaka amin’ireo mpandraharaha amin’ny fanorenan-trano ireo niara-niasa tamin’izy ireo no tsy nahazo, tsy mahazo ary tsy hahazo izay saran’ny asa nataony akory, nefa nindram-bola tany amin’ny banky nahafahana nampandeha ny asa. Izay olom-piangonana nanontaniana momba ity endrim-pandraharahana hafahafa ity anefa dia milaza ho tsy mahalala ny fisiany sy izay mety ho fifandraisany na tsia amin’ny fiangonana katolika. Ny zava-misy anefa dia tsy vitsy amin’ireo mpandraharaha voasariky ny sora-bola avo dia avo ka tafaroboka tao no mibabaka ankehitriny fa sady tsy mahazo vola no bokan’ny trosan’ny banky. Mbola hitohy …
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT